Tena be mpiantso tokoa ny polisim-pirenena nanomboka ny sabotsy teo indrindra mikasika ilay resaka fakana an-keriny izay nahazo vahana teto an-drenivohitra tato ho ato.
Ho an’ilay laharana maintso 988 fotsiny dia tafakatra 80 isan’andro ny antso voarain’ny polisy. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka dia olona mananihany avokoa ny 75 isa. Maka “renseignement” kosa ny 5 ambiny raha sanatria ka hiharan’ilay toe-javatra na koa mahita tranga hafahafa eny am-pandehanana na eny anivon’ny fiaraha-monina. Mangataka ireo olona mpananihany araka izany ny polisy mba tsy hanao sangy mihoatra ny loha ka mety handreraka ilay mpandray antso fotsiny ihany. Tsy tokony hisangiana rahateo ny laharana maintso tahaka ireny indrindra fa amin’ny resaka fakana an-keriny. Tsy misy hafa amin’izay ihany koa moa ny manjo ny sampana mpamonjy voina mikasika ireo olona manadala miantsoantso fahatany azy ireo. Raha miisa 10 ny antso voaray ao anatin’ny 24 ora dia olona mananihany avokoa ny 7 amin’ireo.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.