Kolonely Faneva

Nofoanana ny fety saika ho fitsenana azy


  • Alakamisy 29 Janoary 2026

Voalaza ho nesorina tao Menabe sy

nafindra toeran-kafa ny Kolonely Faneva Ralaivay, izay zandary nalaza ho nahavita fampandriana fahalemana goavana tany an-toerana nandritry ny taona maro, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Namoaka ranty ny solombavambahoakan’i Belo sur Tsiribihina fa nisy ny fandresen-dahatra ny hanajanonana ity Kolonely ity hiadidy ny zandarimariam-pirenena ao Menabe saingy sarotra ny fandidiana, hoy izy . Nisy ny fety saika nokarakarain'izy ireo ho fitsenana azy ny Zoma hoavy izao saingy nofoanana izany, raha ny fanazavany hatrany. Ity fety izay saika natao ity izay mampametra-panontaniana mpanara-baovao samihafa ihany raha toa ka efa nisy firenen-kafa nanao toy izao tany ho any, izany hoe, mpitandro filaminana natao hifantoka amin’ny fampandriana fahalemana kanefa tsenaina amina fetibe makotrokotroka.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT