Fandriampahalemana

Kidnapping Voasambotra tany Kaomoro ilay naman'i Lama


  • Alarobia 20 Mey 2020

Voasambotra tany Kaomoro ny alahady 17 mey lasa teo ilay karana antsoina hoe Dilavarhoussen Reza Mamod izay nambaran'ny Zandary fa naman’ilay jiolahy mpamerin-keloka ikoizana,

 

Lama, izay lavon’ny balan’ny zandary ny herinandro teo. Izy io, raha tsiahivina, dia nanaovana tontona 200 tapitrisa Ariary. Karana na teratany indianina nisy nitifitra tao anaty fiara niaraka tamin’ny zanany lahy teny amin’ny La residence « Panoramique », izay fonenany eny Ambatobe izy io ny 19 febroary 2017 ary nalefa notsaboina tatsy amin’ny nosy Maorisy taorian’izay voina nahazo azy tamin’ny 3 taona izay. Manana hotely any Antsiranana izy io ka hanatrika ny vadiny hiteraka no niakarany teto Antananarivo tamin’izany fotoana izany no nisy nanafika ary voatifitra tao an-damosiny ilay zanany lahy vao 5 taona monja ka nitondra takaitra maharitra satria miandry ny falehibiazany vao azo didiana, ankoatr’izay fandidiana natao taminy tatsy Maorisy izay. Voadona niaraka tamin’izany koa ny mason’ilay zaza. tokony ho efa natao tatsy Frantsa ihany koa ny fandidiana fanindroany ilay zaza saingy nahemotra noho ity fipariahan’ny aretina COVID 19 ity. Ny rainy, Reza Mamod, moa dia bala miisa 3 sy bilina na « bille » miisa 17 no nesorina taminy taorian’io fanafihana io. Ny fanadihadiana natao noho izany no nahafantarana fa isan’ireo atidoha naniraka an’i Lama namita ny asa ratsiny ity Karana ity ka izao voasambotra tao Kaomoro izao rehefa avy nitsabo tena tatsy Maorisy. Mandray an-tanana ny raharaha ny zandary etsy Ankadilalana, alaina amina fiaramanidina manokana ity karana voasambotra atsy Kaomoro ity rah any fantatra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT