Fandriampahalemana

Kidnapping teny Ilafy Karana ihany no ao ambadika ?


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Tanora lahy iray, fantatra amin’ny anarana Yanish Ismael, zanaky ny mpandraharaha karana Danil Ismael izay tompon’ny orinasa SMTP no nisy naka an-keriny teny Ilafy omaly maraina.

Vao avy nandevina izy sy ny fianakaviana no nisy andian’olona nanao sarontava sady nitondra basy mahery vaika tonga nisambotra azy. Nanapoaka basy ireto mpaka ankeriny ireto nentina nampitahorana sy nanaparitahana ny olona. Zandary iray, misahana ny fiarovana ity fianakaviana ity no naratra nandritra izany. Fiara Mazda miloko mainty no voalaza fa nitondran’ireo mpaka ankeriny ilay tovolahy niala teny an-toerana. Mitranga izany iray volana taorian’ny fakana an-keriny an’i Firoz, mpianatry ny Lycée Français Ambatobe, ary zanaka mpandraharaha mpivaro-damba “Eden” etsy Behoririka.Matetika moa dia mijanona amin’ny fisamborana ireo irakiraka nanao ny “mission” ny resaka fakana an-keriny Karana fa tsy mety fantatra mihitsy ny tena atidoha.Efa hatry ny ela koa anefa no mandeha ny resaka fa ry zareo samy Karana ihany io mifampaka an-keriny io, saingy fanadihadiana lalina sy misandrahaka irery ihany no hahafantarana ny tena marina momba izany.


Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT