Fandriampahalemana

“Kidnapping” teny Antanimena Fanodinkodinana saim-bahoaka…


  • Alakamisy 18 Janoary 2018

Nitrangana fakana an-keriny na “Kidnapping” indray teny Antanimena manoloana ny Villa Pradon omaly takariva tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany.

 

 Araka ny vaovao, jiolahy efatra nitondra “Moto” no nahavanon-doza. Notifirin’izy ireo ny fitaratra ary nambanana ny mpamily, avy eo nentin’izy ireo tamin'ny moto avy hatrany ilay lehilahy nalaina an-keriny, izay teratany karana. In-droa nipoaka ny basy, ary nihazo an’Ankazomanga ny lalan’ireo naka an-keriny sy ny hazany. Araka ny vaovao azo ihany dia ny tompon'ny Bijouterie Kalidas eny Analakely, mpisehatra amin’ny tontolon’ny vato sy firavaka sarobidy izy io. Tsy nisy ny naratra na maty nandritra ity tranga ity. Mafampana tanteraka ny raharaha politika eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny nipoahan’ilay ampamoaka mombana minisitra iray nambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa fa nomeny 70 000Euros ho saran’ny fahafahany. Lasa resabe sy tena fahafaham-baraka ho an’ny mpitondra iny, koa mety mba mitady ny fomba hoenti-mampangina haingana ny raharaha aloha ny fanjakana, zavatra efa nahazatra teto hatramin’ny fitondrana tetezamita io. Tsy fantatra na fifanandrifian-javatra ihany na misy ambadika politika iny toe-javatra teny Antanimena iny, saingy maro no mandray izany ho fanodinkodinana saim-bahoaka tsotr’izao. Mety ho ambadika politika hafa ihany koa ny fitakiana volabe hoenti-manao propagandy satria akaiky izao ny fifidianana. Amin’ny ankapobeny dia toa tsy mba mety mivoaka ny marina momba ireny fakana an-keriny nisesisesy ireny, izay azo adika ho fisian’ny fanarontsaronana noho ny ambadika avo lenta. Mifanandrify amin’izay resaka fakana ankeriny izay ihany moa, dia tovovavy iray antsoina hoe N G ihany koa no nisy naka an-keriny tao amin’ny “bar” iray tany Morondava ny talata alina tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ary nentin’izy ireo tamin’ny sambo haingam-pandeha. Nitaky vola 18 tapitrisa ariary ireo naka azy sady nanolana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT