KIDNAPPING » TENY AMBOHIDRATRIMO

Voasoroka ny teti-dratsy, maty voatifitra i Migabe


  • Talata 21 Novambra 2023

Saika nitrangana fakàna an-keriny tamin'ny herinandro teo tao Anjanadoria, distrikan'Ambohidratrimo saingy

voasoroka ara-potoana izany. Efa nipetrapetraka avokoa anefa ny paika maloton'ireo olon-dratsy.Taorian’ny trangana fakàna an-keriny izay niseho ny 05 Novambra teo tao Tsarahonenana ,kaominina ambanivohitra Avaratsena Sahalemaka,no nahafahana namantatra izany.Vehivavy niisa roa no nisy naka an-keriny nandritra izany ary navotsitr'izy ireo herinandro taty aoriana.Nanao ny asa rehetra nitadiavana izay tompon'antoka ny zandarimaria ka 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐫𝐨𝐚 no voasambotra ary nibaboka sy nanondro ny tena ati-doha amin’izany dia i 𝐌igabe.Nibaboka sy niaiky ny helony i Migabe nandritra ny fanadihadiana natao taminy ary nilaza fa mbola nikotrika fakàna an-keriny any Anjanadoria no sady nanondro ireo namany.Nanao be midina tamin'ny toerana nolazain'izy ireo ny zandary tamin'io daty io ary dia raikitra tokoa ny fifanjevoana.Mbola nikasa nitsoaka indray i Migabe no sady nanampy tosika ireo namany. Tsy maintsy natsahatra tamin'ny asa ratsiny izy noho izany. Basim-borona iray no azo tany amin'ireto daholo ireto. Zandary roa kosa naratra nandritra izany.
Pati
Legende : Ela ny ela fa maty voatifitra i Migabe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT