Fandriampahalemana

Kidnapping teny Ambatobe Voatonona indray ny mpitandro ny filaminana


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Zazavavy kely iray no saika hisy haka an-keriny teny Ambatobe, eny amin’ny Lycée Français omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany, saingy tsy tanteraka.

 

 Zanaka karana tompon’ny tranombarotra Eureka izy io, araka ny fantatra. Raha ny fanazavana, fiara Renault Kangoo miisa 2 no nentin’ireo jiolahy saika hanatanteraka ny asa ratsiny. Hitan’ny mpamily nitondra ilay zaza fa nisy basy tao anatin’ilay fiara nandona azy, ka nitsoaka avy hatrany izy fa tsy nijanona rehefa nodomin’ny fiara Kangoo, izay nisy ireo mpaka an-keriny. Nantsoiny ny zandary ary raikitra ny fanarahana. Narian’ireo olon-dratsy ilay fiara ary nitohy tamin’ny fiara hafa izy ireo. Nariana teo Soavimbahoaka io fiara faharoa io, izay marika Duster. Nandeha ny feo avy amina loharanom-baovao maro samihafa omaly hariva fa ahiana ho nisy mpitandro ny filaminana avy amina toby iray eto an-drenivohitra ahiana ho tao anatin'ireo andian-jiolahy, ary taraiky tao anatin’ilay Kangoo ny basy poleta MAB nampiasain’ireo olon-dratsy. Tsy mbola misy voasambotra hatreto, saingy manamora ny fikarohana ny fahazoana ilay fiara sy ny basy. Tsy dia nifanara-tsaina ihany koa anefa ny polisy sy ny zandary omaly noho ny fakana avy hatrany ny porofo rehetra teo an-toerana : basy sy cagoule. Nifamaly ny roa tonta ary vetivety dia samy tonga teo ny ekipany. Voatery nandamina ireo lehiben’ny an-daniny sy an-kilany. Matetika no misy mpitandro ny filaminana voatonona amina asan-jiolahy, ao ireo mandray anjara, misy ny voalaza fa mpamatsy basy eo koa ireo mpanome vaovao. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ka andrasana ny marina. Misimisy ihany izay trangana fakana an-keriny izay saingy manjavozavo hatrany ny tena marina fa ireo irakiraka matetika no voasambotra na maty voatifitra ka tsy miteny intsony dia tampina eo ny daomy.

 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

  • Toamasina
  • Talata 14 Aprily 2026

Mpamily tuc tuc nanendaka, voasambotra

  • Halatra tariby
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Mpiasan'ny Jirama roa nidoboka am-ponja

Hijery ny tohiny
FTT