Kidnapping” tao Anjozorobe

Olona 3 indray no lasan'ny mpaka an-keriny


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andranomisa Distrikan’ Anjozorobe

ny Sabotsy 23 Septambra teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina. Saika haka an-keriny olona ireo jiolahy ireo ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’izy ireo sy ny miaramila mpiambina izay naharitra ora iray teo ho eo. Nahatsiaro resy ireo dahalo ka nandeha nitsoaka niantsinanana. Tsy nisy ny olona azony nandritra izany raha tsy nisy koa ny entana very. Ireo olona nokasaina halaina kosa tsy tao an-toerana fa mbola tany Mangamila hoy ny vaovao. Niverina indray anefa ireo dahalo ireo tokony ho tamin’ny 10 ora alina naka ireo olona miisa telo izay nahitana vehivavy iray, ankizy iray ary olon-dehibe iray saingy tany amin’ny toeran-kafa. Tao Anjangazanga, Baiboka Fokontany Ankidondona, kaominina Ambanivohitra Amboasary izy ireo no nandeha izay tombanana ho ireo nifampitifitra tamin’ny miaramila tao Andranomisa ihany saingy tao Baiboka izy no nahazo izay notadiaviny. Mbola tsy hita izy telo mianaka ireo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT