Fandriampahalemana

Kidnapping tao Amparafaravola Maty voatifitra ilay jiolahy, azo sambo-belona ny zanany


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Jiolahy raindahiny iray no matin'ny polisin'y FIP ny alin'ny 11 nifoha omaly alarobia 12 jolay tany Amparafaravola faritra Alaotra Mangoro.

Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny polisy izay nilaza fa misy andian-jiolahy mpaka an-keriny milafika ao amin'ny fokontanin'Amparamanina. Avy dia nandray ny andraikiny ireto hery vonjy taitran'ny polisy rehefa nahazo alalana avy amin'ny DRSP Alaotra Mangoro ka raikitra ny fikarohana. Tao amin'ny fokontanin'i Mahakary no nifanehatra ny roa tonta raha nitifitra avy hatrany ireo jiolahy ka namaly ny polisy. Jiolahy iray no lavo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina raha nisy iray hafa voasambotra ary nisy kosa ireo tafaporitsaka. Noho ny fitsinjovana ny ain'ireo polisy amin'ny haizin-kitroka sy ny tifitra vary raraka hataon'ireo jiolahy noho izany dia tsy afaka nanara-dia intsony izy ireo. Taorian'ny fanadihadiana natao dia fantatra fa lehiben'ireo jiolahy ity lavon'ny polisy ity izay efa nokarohana mafy noho ny asa fampihorohoroana sy fakana an-keriny any amin'ny distrikan’Amparafaravola iny. Ilay voasambotra kosa dia zanak'ity farany ihany, tovolahy vao 21 taona monina ao amin'ny kaominina ambanivohitra Morarano Chrome. Voatazona ao amin'ny kaomisarian'Amparafaravola izy ary mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany.
Pati
Legende : Ireto izy mianaka mpaka an-keriny ao Amparafaravola efa nosarahin-drafahafatesana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT