Mahasarika olona maro ny raharaha fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai any Toamasina. Samy miresaka azy avokoa ny maro satria efa mandeha indray ny fitaintaintanan-dava ho an’ireo fianakavian’ireo olona marobe nosamborin’ny GSIS fahatany sy nanaovany « bizina » tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud telo tao lasa izany.
Fantatra izao fa anyToamasina nanomboka ny alahady teo ireo ekipan’ny USI, « Unité Spéciale d’Intevention », ny polisy fantatry ny maro eto Toamasina hoe « Saka Mainty ». Voalazan’ny vaovao azo fa izy ireo no hisahana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanona ny fakana an-keriny ity tera-tany indiana Bohra ity, fa mpanampy azy ireo amin’izany fotsiny ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina. Nanomboka ny alahady io dia efa miisa 8 ireo olona nosamborina voalaza fa mifaningotra sy mety mahalala ny mikasika ity fakana an-keriny ity anaovana fakana am-bavany. Ny tena nahagaga dia lasa nahoraka be nanomboka omaly ny anaran’i Roger Lala Stephanie izay mbola mifonja madram-pahafatiny ao Antanimora taorian’ny fitsarana ny raharaha « Arnaud sy Annie » ny volana septambra lasa teo tao amin’ny fitsarana ady heloka be vava Antananarivo. Mandeha izany ny ahiahy eo amin’ireo misahana ny raharaha fa ekipan’ity ramatoa malaza amin’ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny ity no naka an-keriny an’i Akil Cassam Chenai; ny angom-baovao mantsy no nahalalana fa tsy misy maha-samy hafa ny fomba nampiasain’ireo andian-jiolahy naka an-keriny ireo zanaka mpandraharaha io andro alatsinainy ny taona 2015 no nitranga tamin’ny fomba nanaovan’izy ireo ity tera-tany Indiana Bohra ity ny harivan’ny zoma teo tao an-tranony.Ankoatra izay dia mbola tsy misy ny fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny an’i Akil Cassam Chenai ny fianakaviany hatreto aloha; manahy anefa ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fahanginan’ireo fiakaviany ny mpitandro ny filaminana fa mety efa nisy ihany ny fifandraisan’ireo andian-jiolahy ireo sy ny fianakavian’ity tera-tany Indiana ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.