Fandriampahalemana

Kidnapping” sy vono olona Lavon’ny mpitandro filaminana I Lebaba


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Ela ny ela fa lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ihany i Lebeba,

ilay jiolahy mpaka an-keriny sady mpamono olona tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny. Tao amin’ny tsenan’Ibinty ny anaolahy no nosamborina saingy raha vantany vao nahita ireo zandary ity jiolahy ity dia nitsoaka avy hatrany. Natao ny fanenjehana azy, nanapoahana basy mba hijanona fa vao mainka nanao tongotra an-katoka ihany izy. Antsy lavabe no teny an-tànany nandritra izany. Teo an-tampon-tanety antsoina hoe : Îlot Soavinarivo fokontany Ambalavao kaominina Ibinty izy no tratra saingy mbola nanohitra hamono ireo zandary tamin'ny antsy lava ihany.Voatery nampiasa basy ny zandary noho izany ka voatifitra ary namoy ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra i Lebeba. Raha tsiahivina koa dia efa naka an-keriny zaza 7 taona tao Alarobia Bemaha ny anaolahy tamin’ny taona 2022. Toraka izany koa ilay famonoana vehivavy tao Manaovasoa fokontany Mananjara kaominina Ambatomifanongoa izay maty notsatohiny antsy mihitsy. Teo ihay koa ilay halatr'omby mitam-basy sy fitaovam-piadiana tsotra izay mampihorohoroany ny mponin'ny kaominina Alarobia Bemaha sy ny manodidina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nahazo tapakila ho any amin’ny varo tsy mifody ihany koa i Lebeba rehefa ela niriharihavana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT