«Kidnapping » sarintsariny

Nananan’ny banky 4 tapitrisa Ar, ka nanita-kevitra


  • Talata 23 Jolay 2024

Ny 16 jolay lasa teo no nisian’ilay raharaha voalaza fa nakana an-keriny «Quartier-mobile»

tany Ankidodona any amin’ny tanànan’Andranokotona, Kaominina Anjozorobe, adin’ny iray dia an-tongotra miala ny Renivohitry ny distrika. Avy nanatitra olona manan-draharaha hohadihadiana eny amin’ny zandary izy io, ka taorian’izay no nanjavona, ary nisy hafatra tonga tamin’ny havany tamin’ny alalan’ny finday fa nisy naka an-keriny izy, ary takiana ny handoavana vola 8 tapitrisa Ar mba ho tambin’ny famotsorana azy. Ny talata no voalaza fa nisian’ny fakana an-keriny, ary ny zoma no fotoana nomena hanomezana ilay volabe, narahina fepetra fa tsy mahazo mampandre ny zandary. Herinandro latsaka aty aoriana, nivoaka ny resaka fa ananan'ny Microcred vola 4 tapitrisa Ar eo ho eo ilay rangahy, ary izy tenany ihany no nanita-kevitra izy mba afahany mandoa trosa. Izy tenany ihany no namorona, hoe: nisy naka an-keriny. Rehefa tsy nisy nandefa vola dia, nandefa hafatra indray, niteny fa, efa votsotra izy ka tsenao aty, ka toerana tena lavitra ny tanàna no natorony. Ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona efa reraka nivezivezy eraky ny tampon-tanety, efa nivonona hifampitady amin'ireo mpaka an-keriny, hay fandrebirebena sy tetika hitadiavam-bola no nataony. Vokany, nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ary hatolotra ny fampanoavana ingahirainy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT