Kidnapping » mirongatra any Belo Tsiribihina

Mikatona avokoa ireo sekoly manomboka anio


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Mikatona avokoa ny sekoly rehetra ao Belo Tsiribihiana manomboka anio Mikatona

avokoa manomboka anio Alatsinainy 15 Janoary 2024 ireo sekoly miankina tsy miankina amin’ny fanjakana rehetra manerana ny distrikan’i Belo Tsiribihiana. Noho ny firongatry ny fakana an-keriny olona no voalaza fa anton’izany, fanapahan-kevitra hihatra mandritra ny fotoana tsy voafetra. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fakana an-keriny mpianatra mianadahy tany amin’ity distrika ity ny Sabotsy 13 Janoary nifoha omaly Alahady 14 Janoary. Mpianatra mianadahy kely 9 taona sy 13 taona no lasibatra tamin’izany ary rsy mbola nahazoam-baovao ny momba azy ireo hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ankoatra izay dia mbola mandrahona ny mbola haka an-keriny mpampianatra ihany koa ireo jiolahy. Very fanahy mbola velona ireo mponina noho izany. Diso mahazo vahana loatra hoy izy ireo ny halatr'omby sy halatr'olona ka izao efa tonga hatrany amin’ny fanosihosena ny hasin'ny fanabeazana izao mihitsy. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fitondram-panjakana manoloana izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy hisy hianatra aloha ireo mpianatra eto Belo Tsiribihiana manomboka anio !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT