Votsotra ny alakamisy lasa teo ilay teratany karana Pradeep Chandarana, nisy naka an-keriny teny Behoririka ny alarobia 7 jona teo. Tsy fantatra mazava izay fepetra sy fifanarahan'ny fianakaviany sy ireo mpaka an-keriny ka nahavotsotra azy.
Ny azo ambara dia ny ezaka manokana nataon’ny fianakaviany matoa tsy mbola nisy ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny alarobia 14 jona lasa teo ihany koa dia zanaka karana iray hafa no nisy naka an-keriny tany Toamasina. Nikasa ny hiala sasatra any Foulpointe izy tamin’io, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Araka ny vaovao iray avy any Antsirabe dia nitrangana asa fakana an-keriny koa tany an-toerana ny androtr’io 15 jona nahavotsotra an’i Pradeep Chandarana, ka zanaka karana tompona tranombarotra lehibe iray no no lasibatra. Araka ny vaovao azo dia lehilahy roa nitondra “moto cross” mainty no naka io zaza io. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fampitam-baovao ofisialy. Vao omaly no nanao fanambarana amin’ny hisian’ny asa mivaingana mba hitsaharan’ny “Kidnapping” ny masoivohon’i Inde eto Madagasikara, saingy tsy izay no miseho.
Misy ifandraisany amin’ny fifidianana ?
Lasa fitadiavam-bola mihitsy ny “fakana an-keriny” amin’izao fotoana. Tsy fantatra anefa ny ao ambadika. Ny samy karana ve no mifamely sa misy hidirany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena ? Efa antomotra ny fifidianana ary mandritra ny propangandy no hiparitahan’ny volabe hoentina hanambazana ny vahoaka. Tsy mbola voafehy rahateo ny fanaraha-maso ny loharanom-bolan’ny kandida eto amintsika kanefa azo lazaina ho mampiasa vola maloto ny ankamaroany. Ny volabe azo tamin’ny fanondranana boaderozy sy ny harem-pirenena no hoentina hanaovana propangady avy eo. Efa niseho izany tamin’ny fifidianana teto amin’ny firenena satria olona mpanao boaderozy no mahavita manome 21 miliara ariary ny kandida filoham-pirenena iray nandritra ny fifidianana farany. Na misy aza ny fanondranana harem-pirenena dia somary mangingina aloha ny akony, ka mety any amin’ny fakana an-keriny indray no loharanom-bola vaovao hoenti-miketrika vola hanaovana propagandy. Ny zavatra tsikaritra ihany koa dia tsy mahita mangirana mihitsy ny mpitandro ny filaminana. Tamin’ireo aferana “kidnapping” nisesisesy tato ho ato dia ny fianakavian’ny lasibatra ihany no mitady vahaolana sy manome ny tambin’ny famotsorana. Mampiahiahy ihany ny mety hisian’ny dian-tanan’ny mpitandro ny filaminana ao anatin’ireny raharaha ireny, ka mampanano sarotra ny fikarohana ny marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.