Fandriampahalemana

“Kidnapping” hafahafa 10 voasambotra, teratany vahiny ny 4


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Tera-tany vahiny miisa 4 ahitana Afrikanina 2 sy sinoa 2 niampy Malagasy 6 no efa hanaovana fanadihadiana amin’izao taorian’ny nisamborana azy ireo

izay ahiahiana ho tafiditra ao anatin’ilay raharaha fakana an-keriny eto an-drenivohitra, raha ny tatitry ny manam-pahefana. Teny amin’iny faritry 67Ha, Ivandry ary Mandroseza iny no nahatrarana azy ireo vokatry ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana. Mbola nahitana fonosana plastika nisy cocaïne milanja 250g sy fonosana hafa nisy "poudre" fotsy tany amin’izy ireo, ireto farany izay mbola tsy fantatra mazava ny tena asany nefa milanja 500 g. Toraka izany koa ireo fitaovana maro samihafa hanamboarana sy hanindromana zava-mahadomelina olona. Mbola nahitana sachets plastika misy "corails noirs" sy baoritra 7 nisy "hippocampe" milanja 110kg ihany koa teny amin’izy 10 mianadahy ireto. Tsiahivina moa fa nahitana zava-mahadomelina mahery vaika na “drogue”: amphétamines, métamphétamines, cocaïne ary opiacés singa avy amin’ny Opium tao anatin’ny rà-n'ireo tovovavy tratry ny fakana an-keriny teto amintsika, antony hanaovana fanadihadiana azy ireo. Na izany aza tsy hijanona hatreo ny raharaha. Ankoatra ny fanadihadiana azy ireo mantsy dia omena valisoa ihany koa ireo olona manome vaovao mari-pototra mikasika ireny mpanankorontana saim-bahoaka ireny, hoy hatrany ny Ministry ny filaminam-bahoaka. Arahi-maso fatratra ihany koa ireo fiara tsy mataho-dàlana na « 4x4 » matroka fitaratra na « vitre fumée” rehetra, hoy ny mpitandro ny filaminana. Samy miandry ny ho tohin’ny raharaha ny rehetra satria mbola maro ny resaka mifamahofaho mikasika ity toe-javatra ity.


Mila mitandrina amin’ny vaovao mivoaka sy ny tsaho, ary tokony hahay hamakafaka ny rehetra. Niparitaka teo anivon'ny tambazotra, ohatra, ny vaovao mahakasika fiara iray tetsy Andravoahangy nolazaina fa tratran'ny olona nangala-jaza. Rehefa tonga teny ny Polisy ary natao ny fanadihadiana teny anivon'ny kaomisaria dia fantatra fa tsy mpangala -jaza ilay olona tao anaty fiara fa miandry ny vadiny avy niasa ary nijanona teo amin'ny sisin-dalana. Tsara ny manamarika fa niaraka tamin'ny rafozany sy ny zanany miisa 02 izay nilalao tao amin'ny "malle arrière" ilay lehilahy. Nisy nahita ireo zaza nilalao sy nikapokapoka tao aoriana ka nahatonga ny olona manodidina taitra sy nitangorona ary nilaza fa mpangala-jaza ireo olona ao anaty fiara.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT