Fandriampahalemana

« Kidnapping »: Bizna ho lasa fomba amam-panao


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Sesilany tato ho ato ny firongatry ny fakana an-keriny. Teratany karana iray indray no lasibatra. Iza no tena ao ambadiky ity resaka fakana an-keriny ity ? Valifaty ve sa mety ho famotsiam-bola ?

        Ny zava-misy aloha dia tsy voafehy mihitsy ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fakana an-keriny eto amintsika. Marihina fa tsy ny teratany vahiny irery no iharan’ny asa ratsy fa na teratany Malagasy koa aza. Tsaroana eto, ohatra, ny fakana an-keriny ny zanaky ny mpandraharaha Naina Andriantsitohaina tetsy Andranobevava ny volana desambra teo. Mampanontany tena hoe misy tokoa ve ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ? Tsikaritra mantsy fa dia feno mpitandro ny filaminana mandeha an-tongotra sy mandeha fiara eraky ny tanàna kanefa tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny tsy fandriampahalemana toy ny harom-paosy, sinto mahery. Raha tsy mandray andraikitra haingana ny fitondrana sy ireo tompon’andraikitra mahefa dia ho lasa bizna vaovao  ity resaka fakana an-keriny ity. Maro mantsy ny olona vonona amin’ny zava-drehetra mba hikarohana vola amin’izao fotoana, ary tena mampanita-tsaina olona ny fahitana fa misy ny vola maika sy vetivety.
 
Marigny A.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT