Kidnapping » any Ankazobe

8 no mbola tadiavina, hihetsika ny EMMO-NAT


  • Talata 12 Desambra 2023

Nanamafy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andry Rakotondrazaka

izay nidina ifotony tany Ankazobe nitarika ireo Lehiben’ny EMMO-NAT ny faran’ny herinandro teo, fa tena nirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrika iny sy ny manodidina, indrindra fa ny resaka fakana an-keriny olona, izay tsapa fa tena maro dia maro ary tsy mitsahatra mitombo, hoy izy. Efa nisy ny « opération » fa tsy maintsy hapetraka ny fandriampahalemana maharitra, ka nidina ifotony ireo lehiben’ny fibaikoana nahitana ny Kaomandin’ny ZDS Ikopa, ny CIRGN Antananarivo. Nomarihiny fa mety misy tokoa fidirana na firaisan’ny solontenam-panjakana ao anatin’io fakana an-keriny io, ka efa manomboka ny famotorana, efa mandeha ny fampandrian-tany,… Misy anjaran’ny fokonolona ihany koa ao anatin’ny tsy fandriampahalemana. Olona 8 hatreto no voalaza fa mbola any an-tanan’ny mpaka an-keriny, ka naneho fa hiezaka ny hahazoana azy ireo velon’aina ny mpitandro ny filaminana, ary niantso ny vahoaka hifanome tànana hatrany. Isan’ny somary mampananosarotra ny fifandraisany amin’ny lafin-tany satria Ankazobe izao eo anilany Ambohidratrimo, Betsiboka, Maevatanana,… ka amin’ireny matetika no làlan’ireo mpanao ratsy izay malalaka sy midadasika ilay toerana raha mijery ny saritany. Misy ihany koa ny ranon’i Betsiboka izay ahafahan’ireo dahalo milalao ny fandosirana. Efa mipetraka ihany koa anefa ny paikady hiatrehana izany, raha ny tatitry ny mpitandro filaminana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT