Kidnapping any Alaotra

Lavon’ny zandary i Landry


  • Alatsinainy 20 Novambra 2023

Lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana omaly i MAMY Tiana Landry Jacques na Landry, iray amin’ireo

voalaza fa jiolahy raindahiny, ka isan’ny nikarohana azy ny raharaha fakana an-keriny any Alaotra. Sarona nandritry ny fisafoana fanaraha-maso nataon'ireo Zandary avy ao Morarano Chrome Amparafaravola i antsoina i Landry ny 18 novambra 2023 tamin'ny 10 ora alina. Vao marainan'ny omaly alahady dia notarihiny ireo Zandary hatoro ny toerana ieren'ireo namany tao Antanimafy. Rahefa teny an-dalana anefa dia nirifatra nandositra tampoka izy teny Ampasika ; nomena fampitandremana mba hijanona saingy tsy nanohina; hany herin'ireo Zandary dia nitifitra azy ka lavo avy hatrany, hoy ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Nomahafisina fa izy dia jiolahy iray mpanao fakàna olona ankeriny (kidnapping), fikambanan-jiolahy (association des malfaiteurs), fakàna volan'olona an-terisetra (extorsion des fonds), vonoanolona (meurtre), fitazonana olona tsy ara-dalàna (séquestration), sy ny asa fampihorohoroana maro tao anatin'ny faritra Alaotra Mangoro.
Efa nanaovan'ny Andian-tafika manokana hetsika hazalambo mihintsy nandritry ny taona 2022-2023 iny ary efa namoahana filazàna hazalambo, fa izao vao tratra saingy lavo teo ampandosirana. Hatao hazalambo avokoa ireo namany voatantarany ary tsy hamelana raha tsy mitolo-batana na voasambotra na lavo, ka velom-pisaorana ireo mponina ao Morarano Chrome sy ireo fianakaviana efa nanaovany asa ratsy rahavao nahare ny fahalavoany, hoy ny zandary. Ny volana martsa moa no nanomboka niparitaka ny didy fikarohana sy fisamborana azy io, ary tahaka izany ihany koa ny an’i Mahaleo Jaona Fanomezantsoa, izay misy ny milaza fa « assistant parlementaire » ary manana fifandraisana manokana amina manam-pahefana, ka sarotra henjehina hatreto.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT