«Kidnapping »

97 no voasambotra, 9 maty, 300 tapitrisa Ar ny vola lasa


  • Talata 10 Septambra 2024

Tafakatra 26 ireo olona voasambotra tamin’ny raharaha « kidnapping » sy vono olona mahatsiravina

tao Anjozorobe, raha 3 tamin'izy ireo no namoahana filazana fikarohana hazalambo, raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana telo lafy omaly. Anisan’ny efa voasambotra ny 07 septambra teo Rakotoarimanana Bruno na Mbola izay isan’ny namoahana didy fikarohana sy fisamborana tamin’ny raharaha tany Marotsopoy, taorian-dRandriambolasoa Emile na i Ledah na koa hoe Klopa. Nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’ny raharaha ireo izay ahitana filoham-pokontany, olom-boafidy sy mpiasam-panjakana. 17 no tena mpandray anjara mivantana tamin’ny kidnapping tany amin’ny faritra Ankazobe sy Anjozorobe. 5 kosa nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny niseho teny Ankadindramamy izay mifandray amin’ny raharaha Anjozorobe ihany. Disadisa teo amin'ny samy mpihavana sy mpiara-monina no fototry ny tranga fakana an-keriny ka na izy ireo no lasa manao dahalo na miantso dahalo mba hanaovana valifaty, hoy ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka ny janoary 2024 noho mankaty, tafakatra 97 ny olona efa voasambotra tamin’ny raharaha «kidnapping », 9 matin’ny mpitandro filaminana, ary mpitandro filaminana 9 ihany koa no nidoboka am-ponja noho ny firaisana tsikombakomba. Tafakatra 300 tapitrisa Ar ny vola lasan’ny dahalo tamin’ny afera « kdinapping » tao anatin’izay vanim-potoana izay. Fitaovam-piadiana mahery vaika maro ihany koa ny sarona. Tsy tambo isaina ihany koa anefa ireo olona matin’ny dahalo, raha tsy hilaza afatsy ireo olona 5 tao Marotsopoy ny faran’ny volana aogositra teo. Nambara moa fa nampitomboina ireo zandary polisy ary tafika mirotsaka any an-kianja ary nohatevenina ny fitaovana.

Ny zavatra tsikaritra dia rehefa akaiky fifidianana no mirongatra ny fakana an-keriny any amin’ireo distrika roa voatanisa ireo ka mampametra-panontaniana ihany hoe : sao misy ambadika politika avo lenta hanangonana vola hanaovana propagandy ? Sa kosa mitombina ny hoe : ahilika ankolaka ireo olona ahafahana mitrandraka harena ? Raha somary nangina ny fakana an-keriny teratany vahiny toy ny karana dia tsikaritra ho mitombo kosa ny Malagasy lasibatra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT