Fandriampahalemana

Kianjaben’i Mahamasina Hodidinina mpitandro ny filaminana 1000


  • Sabotsy 24 Jona 2017

Araka ny fanambarana teny amin’ny toby Ankadilalana omaly, dia mahatratra 1000 ireo mpitandro ny filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena,

indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Manodidina an’Anosy dia hisy ny fisavana ny mpandeha an-tongotra, mpitondra moto ary ny fiara. Hosavaina voalohany ny kara-panondro. Hojerena ny zavatra mety mamoafady toy ny fitaovam-piadiana. Hisy mihitsy ny fampiasana raitra toy ny “camera” mandritra izany. Mba hahafahan’ny tsirairay misitraka ny fety, dia tsy azo atao ny mametraka fiara manamorona ny ranon’Anosy, hoy ny kolonely Ravoavy Zafisambatra avy amin’ny Emmo-Far. Mba hahafahana mandavorary ny fanatontosana ny fety ny 26 jona dia tsy azo atao ny mivarotra manodidina ny kianja. Tetsy an-kilany, dia niely ny resaka momba ny fisian’ny trakta teny Mahamasina hatramin’ny faran’ny herinandro teo milaza ny tsy tokony handehanana ao amin’ny kianja amin’ny 26 jona fa misy mitady hanakorontana indray. Re ihany koa fa efa tonga eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny vaovao fa nokobonina. Misy fanadihadiana mangingina mandeha amin’izao fotoana. Samy miahiahy ny hisian’ny fanakorontanana na ny ra mandriaka mihitsy ny olona amin’izao fotoana. Mampitombo ny ahiahin’ny maro hatrany ihany koa ny tsy fisian’ny marina mivoaka momba ireo zava-doza niseho toy ny tamin’ny 25 janoary 2014 nanaovan’ny filoha fianianana sy ny tamin’ny 26 jona 2016, izay samy namoizana ain’olona sy naharatrana maro be. Toa narirarira lava teny ny resaka, ka nangina sy hodian’ny fanjakana tsy tsaroana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT