KARAZAN’ALIKA VAZAHA

Misy an-tapitrisany ny vidiny, hangalarin’ny sasany


  • Zoma 12 Aprily 2024

Efa misy mahatratra 1 tapitrisa Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely iray amin’ireo karazany vazaha na chien de race.

2 hetsy Ar kosa no mora indrindra, raha araka ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny dia noho ny sakafon’izy ireny lafo dia lafo tokoa sy noho ny fikarakarana tsy maintsy hatao aminy no antony tena mahalafo ny vidiny. Manosika ireo olona sasany hanaotao foana ny fahafantarana izany ka tokony hitandreman’ireo manana na miompy azy ireny. Roalahy no indray tratra nangalatra alikan'olona chien de salon teny Ambohijanahary teny andro vitsy lasa izay. Tsy nampoizin’izy ireo ny fisian’ilay "caméra de surveillance" nandrakitra ny horonantsary momba ny halatra nataony hany ka noraisim-potsiny izy ireo rehefa avy nanaovana fikarohana. Raha araka ny fantatra dia nokasain’izy roalahy ireto hamidy teny Talatamaty ity alika kely ity saingy izao tratra izao. Efa naverina any amin’ny tompony moa ilay alika raha efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra kosa izy roalahy hanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Efa mahatratra 2 hetsy Ar amin’izao ny vidin’ny alikakely voateraka tahaka itony amin’ny sary itony !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT