Fandriampahalemana

Kapoka « bois rond » eny amin’ny Lalana Rocade


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo jiolahy

Nanamafy ny fisafoana natao teny amin'ny rocade ny polisy taorian'ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho teny amin'iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria dia andian-jatovo mirongo hazo sy kibay no tra-tehaky ny Polisy miafina miandry mpandeha an-tongotra raha vantany vao hariva ny andro. Sady velesin’izy ireo ireo mpandeha an-tongotra no hendahiny ka nisy mihitsy ireo efa voamafy. Miisa 05 lahy ireo tratra hatreto. Fantatra fa izy ireo dia anisan'ireo nively bois rond sy nanendaka ilay ramatoa iray teny Ambohimahitsy niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook . 18 taona no zokiny indrindra amin’izy ireo raha 15 taona no zandriny indrindra. Ankoatra ny lalana eny amin’ny Rocade moa dia ahitana ireo olona mively bois rond hatrany koa ny eny amin’ny lalana digy toy ny miazo an’Ambohibao sy Ambohitrimanjaka iny ka tokony handraisana fepetra ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT