KAPOHINA DIA TSY MAHATSIARO TENA

Tovovavy roa no lasibatra tamin’ity herinandro ity


  • Zoma 01 Aogositra 2025

Tovovavy roa no fantatra fa lasibatry ny tranga hafahafa teto an-drenivohitra sy ny

manodidina nandritra ity herinandro ity. Vao afak’omaly Alarobia 30 Jolay tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany ohatra dia tovovavy kely iray vao 16 taona monja no nisy nisintona avy any aoriana ny kitapony ary notampenana ny vavany ka tsy nahatsiaro tena intsony, teny Alasora teny. Omaly Alakamisy 31 Jolay maraina izy no nisy nahita nirenireny teny Iavoloha lalam-pirenena fahafito izy izay efa naloto sy nihosom-potakabe ary toy ny nafatratra tany anaty dalle, raha araka ny fanazavan-dReniny. Ny fanontanian’ireo olona nahita azy no nahatonga saina ity tovovavy ity handeha hamonjy fodiana raha fa efa tsy teny aminy intsony ny solomasony sy ny sakaosiny. Mbola tsy nahatsiaro tena tsara izy tamin’ny fotoana nahatongavany tany an-tranony raha araka ny fanazavan-dReniny hatrany. Ity farany teo an-danin’izay efa nanatona ny mpitandro ny filaminana nanambara ny fahaverezan-janany sy nijery teny amin’ny tranom-paty. Nentina teny amin’ny dokotera Domoina Rakotonoelina izay dokoteran’izy ireo moa ity tovovavy ity ka fantatra fa tsy nahitana tsindrona tamin’ny vatany raha tsy voaolana ihany koa izy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ireo karazana tranga mahazo ny tovovavy eto an-drenivohitra sy ny manodidina araka izany ny Renin’ilay tovovavy fa tena mitaintaina andro aman’alina izy ireo. Vao haingana hoy izy no nandripaka ny fanapoizinana ara-tsakafo dia manao ny hataony sahady indray ny sasany. Tsiahivina moa fa tovovavy kely iray teny Ambohimiandra ihany koa no niaina tranga tahaka ity voasoratra ity, tamin’ity herinandro ity ihany.
Pati
Legende : Manahy mafy ny ho avin’ireo zanany vavy ireo Ray aman-dReny eto an-drenivohitra sy ny manodidina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT