Kapiteny matin’ny olom-peheziny

Nitifi-tena, rotika ny bala, nijaly vao maty ilay nahavon-doza


  • Alakamisy 31 Oktobra 2024

Manamboninahitra Kapiteny Nantenaina Franck Muller Kaomandin'ny CSAO Beroroha

no namoy ny ainy omaly maraina. Maty notifirin'ny zandary mpiana-draharaha eo ambany fifehezany. Avy tany Beroroha io zandary mpiana-draharaha io ary noho ny tonga tao amin'ny toby dia, io namono ny lehibeny io. Voalaza fa tsy hita popoka kanefa tsy niera ka rehefa niverina dia nangatahana fanazavana na DE (Demande d'explication), nanasazy azy ilay lehibeny, kinanjo namoa-doza izy. Notifiriny avy tao amin'ny lamosiny ary maty tsy tra-drano ilay lehibeny io omaly io, tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina. Voalaza fa mafimafy loha moa io zandary mpiana-draharaha io ary nanana olana tamin'ny lehibeny. Voalaza ihany koa fa zanaka manamboninahitra kapiteny. Tsy marina ny filazana fa nifampitifitra ilay zandary mpiana-draharaha sy ny lehibeny, raha ny fanamarihana. Vita izay, nitifi-tena izy avy eo, saingy tsy maty teo noho eo, fa mbola nanaraka fitsaboana. Nampivarahontsana tanteraka kosa ny ratra nahazo azy satria ny faritry ny tarehiny sy ny lohany no potika silaka be, ka nahakely fanantenana ny mety mbola hahavelomany, raha ny horon-tsary voaray naneho ny fahavoazany. Na tsy maty aza nety ho takaitra mandra-maty, saingy namoy ny ainy ity farany rehefa avy niaina fangirifiriana henjana, raha ny vaovao farany azo omaly takariva. Misy moa ireo manam-pahefana ambony eo anivon’ny mpitandro ny filaminana nidina ifotony any Beroroha.
Toky R
Légende : Ny kapiteny Nantenaina Franck Muller Kaomandin’ny CSAO Beroroha fahavelony sy ny nanjo ilay zandary mpianatra-draharaha nahanon-doza rehefa avy nitifi-tena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT