Fandriampahalemana

Kaompania Imerina Centrale Olon-dratsy 31 maty voatifitra nandritra ny 2022


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Nahatratra 31 ireo olon-dratsy maty voatifitra tao anaty fari-piadidian’ny kompania Imerina centrale, araka ny tatitra navoakan’izy ireo. Tao amin'ny disitrikan'Anjozorobe,

Ankazobe ary Andramasina no nahazoana io vokatra io, ka nandritra ny fifandonan’ireo olon-dratsy tamin’ny mpitandro filaminana no tena nahalavo ireo tsy mataho-tody. Miisa telo kosa ny naratra tao anatin’izany. Momba ny asan-dahalo, trangana halatr’omby miisa 21 no hita, raha 26 ny taona 2021, ary olona miisa 54 kosa no voasambotra tamin’iny taon-dasa 2022 iny. Miisa 7 kosa ny raharaha fakana an-keriny, raha 15 tamin'ny taona 2021, ka nahatonga ny fisamborana olona miisa 155 tamin’izany. Tamin’ireo omby miisa 1389 nanaovana fisavana, 81 no nogiazina ary olona miisa 39 no voasambotra tamin’ny resaka famotsiana omby tsy ara-dalàna. Nisy 12 kg ny taolam-paty sarona. Nahitam-bokany ihany koa ny resaka ady amin’ny trafikana harena sarobidy: vatosoa sy vato sarobidy milanja 17208 kg, (Agathe , quartz rose, beryl, cristal, Gabbro, quartz fume, Améthyste, triphane) no sarona. Ho an’ny ady amin’ny zava-mahadomelina: rongony milanja 89, 577 kg sarona. Bolabolana hazo voamboana miisa 12 ihany koa no tratra. Nisy ihanyy koa ny fahatrarana milina fanotana vola sandoka miisa 5 sy vola sandoka misanda 1.260.000 ariary, ary miampy fahatratrarana sy fanagiazana basy tsy ara-dalàna miisa 29, araka ny tatitra navoakan’ny Kaompania Imerina Centrale hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT