Fandriampahalemana

Kaomisera Alexandre Nafindra toerana tampoka ?


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Araka ny loharanom-baovao iray dia amin’nyalatsinainyizao no miandraikitra farany ny asa maha tompon’andraikitry ny serasera azy eo anivon’ny polisim-pirenena ny kaomisera AlexandreRanaivoson.

 

 Tsy tena fantatra aloha ny antony mazava nahatonga izao fanapahan-kevitra izao fa tombanan’ny mpanara-baovao fotsiny hoe mety ho noho ny namoahany ilay vaovao mikasika ny raharaha Mamy Rakotoarivelo ka nilazany fa tsy mbola voarain’ny polisim-pirenena ny valin’ny  “autopsie” angamba. Isan’ireo azo lazaina ho tena havanana amin’izay resaka fifandraisana sy fampitam-baovao izay tokoa anefa ity kaomisera ity kanefa dia nahagaga ihany ny nandre fa ho afindra toerana tampoka teo ny tenany amin’io herinandro io. Tsy mbola nisy ny fampitam-baovao ofisialy momba izao fammpitam-baovao izao ary ireo nanontaniana teo anivon’ny polisim-pirenena omaly hariva dia nilaza fa tsy mahalala ny momba izany .Mbola tsy fantatra moa hatreto hoe ho alefa aiza ary ny lafiny inona indray no hampandraiketina azy fa miha manjavozavo hatrany aloha izany ilay raharaha nahafatesan’i Mamy Rakotoarivelo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT