Fandriampahalemana

Kaominin’Alasora Mampirongatra ny asan-jiolahy ny fifohana rongony


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Alasora, distrikan’Avaradrano. Lasa matahotra mody hariva ny vahoaka

noho ny fisian’ireo mpanendaka sy mpamono olona izay marihina fa efa nanafaka aina iray mihitsy andro vitsivitsy lasa izay toy ny nitranga tao Ambohimahitsy. Tsy nitazam-potsiny Rakotondrabe Mamy kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana noho izany fa nangataka fiaraha-miasa tamin’ireo ekipa namany hahafahana miady amin’izany tsy fandriampahalemana izany. Fantatra ary fa tonga manampy sy manatevin-daharana ao amin’izy ireo ny ekipan’Ankadilalana izay marihina fa efa manana traikefa manokana ihany koa. Mifanampy sy mifanome vaovao mandritra izany ny kartie mobila, ny sefom-pokontany ary ireo olona eny ifotony. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia anisan’ny mampirongatra sy mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana ao Alasora ny fodorohan’ireo tanora ao an-toerana zava-mahadomelina ka mampanaotao foana azy ireo. Toraka izany koa ny fitomboan’ireo toerana filokana sy fanaovana karaoke….izay anisan’ny ivon-toerana iray hikononkononan’ireo tanora hiketrehany asa ratsy ihany koa.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT