Fandriampahalemana

KAOMININA MANJAKA AVARADRANO Mijaly amin’ny tsy fandriampahalemana, ratsy ny lalana


  • Talata 01 Febroary 2022

Anisan’ny kaominina tsy lavitra an’Antananarivo nefa tena mijaly tokoa ny kaominina Manjaka Avaradrano, distrikan’Ambohidratrimo raha araka ny tafa nifanaovan’ny Ben’ny tanana Rakotonirina tamin’ny mpanao gazety

 

 omaly. Ratsy dia ratsy tokoa mantsy ny lalana ka mahatsiaro ho sahirana amin’ny famoaham-bokatra ny mponina. Raha araka ny fantatra anefa dia anisan’ny faritra tena mpamokatra tongolo ity kaominina ity ary mamatsy an’Antananarivo mihitsy. An’arivony taonina ny vokatra tongony havoakany hany ka lasa vidian’ireo mpandraharaha amin’ny vidiny morary izany. Ankoatra izay dia mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo ohatra dia omby miisa 3 sy kisoa efatra no indray naripaky ny dahalo tao amin’ity kaominina ity koa hanaovan’ny Ben’ny tanana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana. Tamin’iny taona 2022 nivalona iny moa no fantatra fa tena nahazo vahana tany amin’ity kaominina ity ny tsy fandriampahalemana.

 

Pati
Legende Rakotonirina, Ben’ny tananan’i Manjaka Avaratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT