Kaominina Jangany distrikan’i Betroka

Vehivavy varira 40 taona maty notapahan-doha


  • Zoma 23 Febroary 2024

Nitrangàna famonoana olona manana toe-tena varira tany amin'ny Fokontany Akorabe,

Kaominina Jangàny, anatin’ny Distrikan'i Betroka, Faritra Anôsy, ny alarobia hifoha ny alakamisy 15 febroary, raha ny tatitra nataon’ny Fikambanana Albinos Madagascar omaly. Vehivavy 40 taona manan-janaka iray izy io, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana satria notapahana ny lohany, raha ny vaovao voarain’izy ireo. Araka ny vaovao azonay hatrany, dia efa nisy olona voarohirohy tamin'ity tranga ity no niakatra fitsarana ny omaly alarobia 21 Febroary ary vantany vao niseho ity tranga ity dia efa nandray ny andraikiny avy atrany ny Lehiben'ny Zandry any Jangàny sy Betroka ka nahitana ireto olona voarohirohy ireto ary manaraka ankaiky ity raharaha ity ny avy ato amin'ny Fikambanana, hoy ny Albinos Madagascar omaly. Manamafy izy ireo fa ao anatin'ny tebiteby tanteraka ny varira sy ny fianakaviana amin'izao fotoana izao, ka miantso ny mpitondra mba handray ny fepetra hentitra, hanaraka hatramin'ny farany ny raharaham-pitsarana izay efa mandeha ka ivoahan'ny marina manoloana izao habibiana izao. Andrasana noho izany ny tohiny !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT