Fandriampahalemana

Kaominina Andina Ambositra Hiara-kiasa ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana


  • Talata 26 Septambra 2017

Tontosa soa aman-tsara omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andina, distrikan’Ambositra ny fivoriambe faharoa amin’ity taona 2017 ity notarihin’ny ben’ny tanàna ny dokotera Rakotozandrindrainy Raphael.

Nivoitra nandritra izany ny fanaovana tatitry ny zava-bita sy ny fanentanana hanamafisana ny firaisankinan’ny mponina, ny fanatevenana ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fanaovana mangarahara ny zava-bita. An’arivony ireo olona nanatrika  ny fivoriana na dia faran’ny herinandro aza avy amin’ireo fokontany 15 isa. Nanambara ny ben’ny tanàna fa anisan’ny asa laharam-pahamehana hotanterahiny ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana, ny fandriampahalemana ary koa ny fahasalamam-bahoaka. Ho an’ity farany dia olona an-jatony no efa nalana nify maimaimpoana. Ho an’ny Fanabeazana kosa indray dia efa ahitana taona fahadimy ao Andina ankehitriny raha tao amin’ny taona fahatelo dia efa nijanona ny mpianatra tamin’ny taona 1999. Miisa 24.400 ireo mponina ao an-toerana ankehitriny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT