Fandriampahalemana

Kaominina Ampitatafika Mitety fokontany mampandry fahalemana ireo tompon’andraikitra


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Nirongatra ny tsy fandriampahalemana tao anatin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tato anatin’ny iray volana izao.

Taorian’ilay tokantrano iray nisy nanafika nahafatesana olona iray dia tokantrano iray ihany koa no nisy nanafika saingy noho ny fahamailoan’ny mpitandro ny filaminana dia sarona avokoa ireo jiolahy miisa 4 nanao izany asa ratsy izany ka maty voatifitra avokoa. Tsy misy mponin’Ampitatafika ireto farany na iray aza. Nihetsika nitady fiaraha-miasa tamin’ny zandarimaria nasionaly sy ny tafika araka izany ny kaominina notarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina ka misy hatrany ny fidinana ifotony any anatin’ireo elakelan-trano hamongorana ireo tontakely sy mpanao ratsy. Fokontany miisa 7 amin’ireo 13 isa mandrafitra ny kaominina hatreto no efa voatety. Mamory fokonolona mihitsy ireo mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitry ny kaominina mandritra izany. Ankoatra ny fanentanana ny mponina mikasika ny resaka fahasalamana, dia entanina mba hahalala hadio ihany koa izy ireo no sady hitandrina ny tenany sy ny fananany manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny. Fantatra moa fa hatsangana isam-pokontany ny andrimasom-pokonolona manomboka izao ho fiarovana ny ain’ny vahoakan’Ampitatafika sy ny fananany.
Pati
Legende : Randrianarivony Marinot Jocelyn, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT