Fandriampahalemana

Kaominina Ambohimangakely Tratran’ny fokonolona ireo mpangalatra gisa


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Omaly 24 janoary 2023, tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro tao Behitsy, fokontany ao ihany, kaominina Ambohimangakely,

dia naharay antso ny zandarimaria Ambohimangakely fa misy mpangalatra gisa tratran'ny fokonolona am-body omby teny Ambohimahintsy izay avy ao amin'ny fokontany Behitsy ihany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary ka 3 lahy no efa voatazon'ny fokonolona dia i Rakotoasimbola Ferdinand, Rakotomalala Kanto Mathieu ary i Rakotonirina Patrick. Samy monina eny Anosibe ireo. Niaraka tamin'ilay gisa iray an'andriamatoa Mamitiana Flavien monina ao Behitsy. Notanana ao amin'ny tobim-paritra izy 3 lahy mba hanokafana famotorana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT