Fandriampahalemana

KAOMININA AMBOHIMANGAKELY Ireo razana misy manary eny amin’ny By-pass no maharatsy laza azy


  • Alakamisy 31 Aogositra 2017

Voaresaka hatrany ny Kaominina Ambohimangakely rehefa misy tranga hafahafa miseho any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny.

 Izy  mantsy no Kaominina vavahadin’Antananarivo  avy any atsinanana nefa tena midadasika ihany koa. Nomarihin’ny dokotera Naina, Ben’ny tanàna ao an-toerana fa milamindamina ihany ny fandriampahalemana amin’ny faritra iadidiany raha oharina amin’ny faritra hafa. Ireo zava-miseho aty an-drenivohitra amin’ny ankapobeny hoy izy no maharatsy laza an’Ambohimangakely toy ny fisian’ireo razana hita eny amin’ny By-pass…Mikasika ny fananganana andrimasom-pokonolona manokana moa izay hitan’ireo kaominina maro fa vahaolana hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao dia nomarihin’ny Ben’ny tanànan’Ambohimangakely fa tena sarotra noho ny fiantohana ny ain’ireo mpiambina sy ny fitaovana hampiasainy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT