Fandriampahalemana

Kaominina Ambohimanambola Mihatra ny “couvre-feu” manomboka izao


  • Talata 25 Aprily 2023

Taorian’ny Kaominina Alasora, namoaka didy tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina na “couvre-feu” ihany koa ny Kaominina Ambohimanambola, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Niroso io noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, ka tsy azo atao ny mivezivezy ao amin’ity kaominina ity manomboka amin'ny 9 ora alina hatramin'ny 3ora maraina. Tsy maintsy mikatona manomboka amin’ny 9 ora alina ny toerana fisotroana toaka sy ny « karaoke » rehetra. Ho an’ireo tsy maintsy mivoaka alina noho ny antony manokana kosa dia tsy maintsy mitondra kara-panondro. Tahaka izany ihany koa ny mpiasa alina, izay tsy maintsy mitondra ny karatra amin’ny maha mpiasa azy ao amin’ny orinasany. Nambara fa ireo no didim-pitondrana navoakan’ny kaominina Ambohimanambola omaly 24 aprily 2023 io, dia hisorohana ny tsy fandriampahalemana izay hita fa nirongatra tato ho ato tamin’iny faritra iny. Anisan'ny efa namoaka didim-pitondrana sahala amin'io koa ny kaominina Alasora nanomboka ny 7 ap rily teo, ankoatra ny famoahana didy tsy fahafahana manapoaka afomanga ao anatin’ny iray volana satria hararaotin’ny olon-dratsy hampiasana ny basiny. Natao koa izany ho fitandroana ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny fahatonian’ny mponina ary ho famerenana ny fandriampahalemana, hoy kosa ny eo anivon’ny Kaominina Ambohimanambola.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT