Fandriampahalemana

Kaominina ambano –Antsirabe II Anjakan’ny dahalo tanteraka


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Miverina mirongatra indray ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa ary anisan’ny lasibatra matetika ny kaominina ambanivohitra Ambano.

 Vao tamin’ny herinandro teo no notafihan’ny dahalo tao amin’ny fokontany Ambano ka nahaverezana omby roa. Nitrangana fanafihana indray tao amin’ny fokontany Ambohitsara ny alahady alina teo ka omby efatra no nalain’ny dahalo. Tsy niandry ela fa nifamory ary niroso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona. Tsikaritr’ireo dahalo fa nenjehin’ny fokonolona izy ireo ka nariany teny an-dalana ny omby roa. Variana tamin’iny ny mpanara-dia ka taraiky. Mbola karohina hatramin’izao ny omby roa hafa. Araka ny fanazavana, nizotra nianatsimo ny dian’omby. Mizotra mankany Alakamisy-Ampahatrimaha ny lalan’ireo omby raha ny filazan’ny loharanom-baovao ary miha mianantsimo ka manjavona avy eo. Nitrangana asan-dahalo hatrany tao ambano tato ho ato. Raha tsahivina, efa nisy ny fanarahan-dia nataon’ny mponina efa ho 200 lahy tamin’ny fahaverezan’omby niisa 20 mahery ka tafaverina avokoa. Miha mahazo vahana ny asan-dahalo amin’ireo kaominina manodidina an’Antsirabe faharoa iny.

 

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT