Fandriampahalemana

Kaominina Alasora Nahazo birao vaovao ny borigadin’ny zandary


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Miroso amin’ny ady hatao amin’ny tsy fandriampahalemana mba hananan’ny mponina fiainana milamina ny eo anivon’ny kaominina Alasora, tarihin’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy.

Tao anatin’ny 8 taona no mankaty no efa nanaovan’ny kaominina izany ka tafiditra tao anatin’ireny ny tamin’ny fotoana naha-lefitry ny Ben’ny tanàna an-dRandriantsoa Jimmy izay lasa Ben’ny tanàna ankehitriny. Maro ny efa zava-bita tamin’izany. Ankehitriny indray dia navadika ho lasa borigadin’ ny zandarimariam-pirenena ny biraon’ny zandary teo aloha. Mitentina 60 tapitrisa Ar ny vola lany amin’izany izay efa ho vita afaka fotoana fohy. Efa afaka mizara tsara noho izany ny asan’ny polisy sy ny zandary amin’ny fisahanana ireo Fokontany 20 mandrafitra ny kaominina Alasora. Na izany aza anefa hoy ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy dia afaka mifanampy sy mifanohana hatrany ny roa tonta amin’izay fitandroana ny filaminana izay. Aoriana kely ao dia fantatra ihany koa fa hametraka poste avancé an’ny polisy isaky ny Fokontany ny kaominina izay mbola hiaraha-midinika miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hanaovana izany. Efa ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa Alasora mirehitra jiro ihany koa ny kaominina amin’izao. Ny Agence Française de developpement no mamatsy vola ny tetikasa ka jiro miisa 613 no kasaina hapetraka eny amin’ny lalankely rehetra. Jiro miisa 200 isan-taona no hatao amin’izany, tetikasa efa natomboka tamin’ny taona 2021.
Pati
Legende : Ity ilay birao vaovaon’ny boridagin’ny zandary Alasora

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT