KAOMININA ALASORA

Jiro miisa 700 no hapetraka any an’elakelan-trano


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy.

Miseho amin’ny endriny maro samihafa izany izay mihafara amin’ny vono olona mihitsy raha tsy lazaina intsony ny hala-botry sy ny vaky trano. Anisan’ny antony hanaovan’ny kaominina Alasota, tarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ezaka ny ady hatao amin’izany tsy fandriampahalemana izany. Hitohy ny fametrahan’izy ireo jiro any an’elakelantrano izany manomboka amin’ity taona 2024 ity. Miisa 700 no indray hapetraka raha efa nametrahana jiro miisa 800 kosa teny an-dalambe tao anatin’ny efa-taona nitondran’ity Ben’ny tanana ity izay . Saika nahazo tombony tamin’izany avokoa ireo Fokontany miisa 20 raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’ny asa nivaingana vitan’ny Ben’ny tanana sy ny ekipany ihany koa tao anatin’izay efa-taona izay ny fanoloana ny paositry ny zandarimariam-pirenena ho lasa borigadin’ny zandarimariam-pirenena. Tanjona ny hahafahana mampitombo ny isan’ny zandary miasa ao Alasora. Mitombo fatratra mantsy ireo mponina mipetraka eny amin’iny faritra iny ka tsy maintsy hampitomboana ihany koa ny mpitandro ny filaminana mba hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy milamina.
Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tananan’Alasora, distrikan’Avaradrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT