JULIANA, ZAZA NANJAVONA TETSY ANOSIBE

Ny fatiny sisa hita, naolana avy eo notapahana ny tendany


  • Talata 20 Aogositra 2024

Zava-doza no nitranga tany amin’ny Fokontany Ambohibarikely, kaominina ambanivohitr’ Ampahimanga,

distrikan’Arivonimamo. Zazavavy kely iray antsoina hoe : Juliana izay vao 12 taona monja no hita faty nisy nandevina teo amoron-tanimbary izay notrongisin’ny kisoa. Naolana io zaza io raha araka ny vaovao azo, notapahana tamin’ny antsy ny tendany nanalan’ireo tsy mataho-tody ny ainy ary naleviny teo amoron-tanimbary avy eo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niantsena naka entana teny Anosibe i Juliana sy ny reniny ny 05 Aogositra lasa teo. Monina ao Anosizato izy ireo raha mpila ravinahitra avy any Manalalondo kosa. Nijery zavatra tsy lavitra an-dReniny i Juliana kinanjo nanjavona tampoka tamin’io andro io. Nikoropaka ny fianakaviana nikaroka azy taorian’izay izay nitohy tamin’ny fandefasana filazana teny anivon’ny radio mihitsy. Ny 15 Aogositra teo anefa akory ny hahatairan’ny mpiandry kisoa iray tao Ampahimanga fa nisy vatana mangatsiaka hita teo amin’ny sisin-tanimbary, toerana izay niandrasany ny kisoa. Ny tanana sy ny tongotr’ilay zaza no nipoitra voalohany tamin’izany rehefa tsy namelan’ireo kisoa. Taorian'ny fanamarihana nataon'ny mpitsabo sy ny manam-pahefana dia fantatra fa i Juliana ity hita faty ity. Efa voalevina moa ny razana saingy na izany aza miantso ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha vono olona feno habibiana ity ny fianakavian’ny maty.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT