Fandriampahalemana

Jiolahy votsotra teny Itaosy Cité “Aleo handeha ny fanadihadiana”, hoy ny minisitra


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Nisy tokoa ny antso vonjy, ary rehefa tonga teo ny mpitandro ny filaminana dia nahare hoe misy olona voatazona sy takalon’aina tao.

 

 

 

 

Samy teo na avy amin’ny polisy na zandary na avy amin’ny miaramila hatramin’ny « Unité Spécialisé » niraisan’ny telo tonta, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Rehefa natao ny fidirana dia tovovavy iray ihany no hita tao. Eo no mbola azo lazaina.... Nisy “tamin’ireo tovovavy ireo” nilaza hoe nisaoty avy tany ambadiky ny garazy, nisy ny hoe efa taty ivelany,… hoy ny fanazavany.  Mbola mifamahofaho be fa aleo aloha ho any amin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, dia hijanona amin’izay aloha isika hahafahanay miroso kokoa amin’ny fitadiavana ny olon-dratsy, hoy ity minisitra ity. Hafahafa sy toa mbola misy zavatra tsy mazava ao anatin’ity raharaha niteraka adihevitra be ity satria ny fanazavan’ny minisitra aza mifanipaka. Tovovavy iray sa maromaro satria amin’ny voalohany izy milaza fa iray, avy eo miteny hoe ireo tovovavy ireo ? Andrasana izay ho vokatry ny fikarohana. Fifanandrifian-javatra ve ny hoe : « shop airtel » hatrany no lasibatra na tany Ambositra na teny Itaosy ? Sao dia misy mpikirakira ara-informatika ao amin’io tambajotra io manome loharanom-baovao ny jiolahy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT