Fandriampahalemana

Jiolahy voatifitra teny Ampefiloha Mpanafika “cash point” sy tobin-tsolika…


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Andry no anaran’ilay jiolahy voatifitra teo Ampefiloha. Efa jiolahy raindahiny izy io, hoy ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny polisim-pirenena.

 

 

Anisan'ny atidoha sady nandray anjara tamin'ireo fanafihana “cash point” teto Antananarivo izy. Nandray anjara tamin’ny fanafihana tobin-tsolika sy ilay fanafihana ny volan'ny orinasa Dzama teny Anosibe saika haterina tany amin’ny banky ny 22 janoary, raha ny voalaza hatrany. Mitentina 90 tapitrisa ariary no lasa raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana tamin’izany. Nandritra ilay fanafihana saika hatao teny Antsahamanitra ny 23 aogositra teo kosa dia nanao taingin-droa ry zalahy nandeha “scooter”. Ilay iray tafaporitsaka, nitsoaka tany anaty elakela-tranon’ny “cité Ampefiloha fa io Andry io no tavela teo. Jiolahy 3 nanao iny fanafihana teny Antsahamanitra iny no mbola karohana fatratra. Adihevitra mitohy taorian’ilay hoe tsy tokony ho novonoina, zon’olombelona,… ny momba ny fampidirana am-ponja ilay polisy nitifitra. Samy manana ny ambarany sy ny fahitany azy ny rehetra, ka ao ny manome rariny ary ao ny tsy mankasitraka. Raha hampifandraisina kely amin’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ihany dia sao zara ihany koa aza misy an’iny toe-javatra tetsy Ampefiloha iny hahafahana manenjika sy manaratsy endrika ny polisy izay toa ratsiratsy fifandraisana amin’ny fanjakana foibe ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT