Fandriampahalemana

Jiolahy tsy mety fay Vao nivoaka ny fonja dia tratra nanendaka indray


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Tovolahy iray 24 taona no nosamborin’ny polisy SAG eny Anosy ny alatsinainy teo. Raha araka ny fantatra dia nanendaka tovovavy iray handeha hividy fitaovam-pianarana izy io ny 10 oktobra lasa teo teny amin’ny pavillon Analakely.

 

 

Nanaraka azy avy any aoriana io tovolahy io no sady nisintona ny kitapokely teny aminy. Lasan’ity mpanendaka ity tamin’izany ilay kitapo izay nifampisintonan’izy ireo .Zavatra maromaro no tao anatiny toy ny vola, finday, izay mitenti-bidy 1.200.000Ar sy kara-panondro ka nitory ilay tovovavy. Ny 12 oktobra teo dia nisy polisy nanao fanamiana sivily manara-maso teny Analakely sy ny manodidina ka tamin’izany indrindra no nifanehitra tamin’ilay tovovavy voaendaka ilay lehilahy nanendaka azy. Noraisim-potsiny ity farany noho izany. Fantatra tamin’izany tokoa fa izy no nisintona ny sac-n’ilay tovovavy teny amin’ny pavillon Analakely. Efa mpamerin-keloka moa ity lehilahy ity ary vao nivoaka ny fonja vao haingana noho ny resaka fanendahana hatrany. Natolotra ny fampanoavana ny afak’omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT