Fandriampahalemana

Jiolahy saika handositra Maty voatifitry ny zandary izy efa-dahy


  • Talata 05 Septambra 2017

Notafihin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny mpivarotra iray tao Tsaramiadana, kaominina Marokarima, distrikan’i Mananjary ny zoma 25 aogositra.

 

Maty voatifitra tamin’izany ny lehilahy tompon-trano. Norobain’izy ireo ny vola, vovo-bolamena 20 grama, rojo volamena 3, kavina volamena 5,... Nanao fanarahan-dia ny zandary tao Mananjary sy Manakara rehefa nahazo antso. Nandray ny andraikiny koa ireo Ben’ny tanàna sy ny fokonolona tamin’ny kaominina maro. Hitan’ny fokolonona tao amin’ny renirano mampisaraka ny distrikan’i Mananjary sy Ifanadiana ny lehihahy miisa 7 izay vahiny any amin’io toerana io, nikasa hiampita lakana hihazo ny distrikan’Ifanadiana. Ny 4 no tratra fa ny 3 tafatsoaka. Rehefa nosavain’ny fokonolona ny entany, dia nahitana basy kalaky roa, bala miisa 11 sy sabatra 1 ary antsy, niampy vola 30.000 Ariary. Tonga ny zandary, ka saika hoentina hamonjy ny toby borigady Vohilava izy 4. Ny 31 aogositra, rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Lavaerika-Ambalavolo, kaominina Antaretra, izay lalana mamaky ala dia niaraka nitsoaka tampoka ireo jiolahy, saika hanararaotra ny hatevin’ny ala sy ny fahalalahan’ny toerana. Rehefa tsy nety nijanona dia voatery nitifitra ny zandary ka lavon’ny bala tamin’izany izy efa-dahy, izay voalaza fa avy amin’ny kaominina Ambalakindresy - Ambohimahasoa avokoa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT