Fandriampahalemana

Jiolahy saika hanao fanafihana Lavon’ny balan’ny polisy rehefa nikasa handositra


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Tsy milamina ny fandriampahalemana ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

Jiolahy miisa 3 no nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin'ny Fokontany Mendrikolovana no lavon’ny bala ny iray. Afak’omaly Talata 31 Mey alina no nitrangan’izany tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Raha araka ny tao vaovao azo dia amin'ny trano iray tsy nisy nipetraka izy ireo no tratra ambodiomby ka mbola ninia nandositra ihany ilay iray na dia efa nahazo fampitandrema tamin'ny mpitandro ny filaminana aza. Voatery nitifitra ireto farany noho izany. Na izany aza mbola nahitana basy poleta marika colt, kalibra 7,65 m/m, misy bala miisa 03 kosa teny am-pelatanan'io jiolahy voatifitra io ka nogiazana avy hatrany. Tafaporitsaka kosa ireo roa (02) hafa izay mbola karohina mafy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay.

Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT