Fandriampahalemana

Jiolahy roalahy nanafika mpivady Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy azo


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Lehilahy iray sy vehivavy miisa 2 avy niantsena tao Mandoto hamonjy fodiana any Ambalafenoarivo no nosakanana jiolahy roalahy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo tao amin’ny borigadin’i Mandoto.

Naratra mihitsy ilay lehilahy voakapa famaky. Niantso vonjy anefa ireto notafihina ka nisy naheno ary dia nirohotra namonjy ireo mponina manodidina. Na dia nitsoaka aza izy roalahy dia tsy namelan'ny fokonolona raha tsy azo. Eto izahay dia misaotra ireo fokonolona Ambalafenoarivo fokontany sy Kaominina Vasiana, Distrika Mandoto, fa mihatra tanteraka ny toromarika nampitain'ny zandarimaria hifampiarovana samy mpiara-monina, hoy ny zandarimaria ao an-toerana. Naterin'ny fokonolona sy ny kartie mobily teny amin'ny tobim-paritry ny Zandarimaria Mandoto moa izy roalahy ary hatao fanadihadiana sy atolotra fitsarana, hoy hatrany ny voalaza.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT