Fandriampahalemana

Jiolahy nirongo basy teny Ambodivona Voaroba ny vola 7 tapitrisa ariary


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Atoandro be nanahary tokony tamin` ny 12 ora sy sasany no nanafihan` ireo jiolahy miisa efatra mirongo fitaovam-piadiana tranombarotra mpivarotra kodiarana iray tetsy Ambodivona.

 

Rehefa hikatona iny ny tsena dia niditra tao amin`ilay tsena ny roa tamin` ireo jiolahy ary nilaza fa hividy kodiarana. Nilaza kosa ny mpivarotra fa efa hanidy tsena. Nivoaka ireto roalahy ary ny namany roa hafa kosa dia teny ampitan` ilay tsena lasibatra no niandry. Vantany vao nivoaka ilay olona nitondra ny sakaosy misy ny vola mitentina 7 tapitrisa ariary dia nambanan` ireo olon-dratsy tamin` ny basy. Ny roalahy teny ampita kosa no nanapoaka basy in-droa ka niparitaka hatrany ny olona teny amin`ny manodidina. Nanararaotra nitsoaka avy ireo olon-dratsy. 30 minitra taorian` ny fanafihana vao tonga ny mpitandro filaminana. Nandritra ny fisafoana nataon` ireto farany no nahitàna ny vodim-bala napoakan` ireo jiolahy. Faritra anisan` ny mena eto an-drenivohitra ny etsy Ambodivona ary tsy vao izao no misy fanafihana amin`iny faritra iny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT