Fandriampahalemana

Jiolahy nandositra teny Antanimora Tratra teny amin’ny Akamasoa


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Jiolahy iray nandositra teny amin’ny fonjaben’Antanimora andro maromaro lasa izay no fantatra fa saron’ny polisin’ny FIP teny amin’ny Akamasoa eny an-tampon’Ambohimahitsy,

raha nanao fisafoana nandeha dia an-tongotra ireto farany ny 11 Martsa teo tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Ankoatra ny rongony nofohany niaraka tamin’ilay namany vao 16 taona monja dia mbola nahatrarana fonosan-drongony ihany koa tany aminy niampy “barre à pince” sy “mountsaku”. Fantatra moa fa izy roalahy ireto no jiolahy mpamaky trano sy mpanendaka eny amin'iny Faritra Akamasoa sy ny manodidina iny, antony mampitaraina fatratra ireo mponina eny an-toerana. Hiakatra fampanoavana anio Alatsinainy izy mirahalahy ireto.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT