Jiolahy nanafika tao Morafeno

Jiolahy 6 matin’ny zandary


  • Zoma 05 Aprily 2024

Ny 3 aprily 2024 teo, tokony tamin’ny 1 ora tolakandro no nampandre ny zandary ao amin'ny «Poste fixe»

Morafeno ny Kartie mobily Mamoeramanjaka, Kaominina Morafeno fa nisy jiolahy miisa 7, vehivavy ny iray, tonga nanafika tokantrano iray, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nandrahona hamono sy nandratra ny renim-pianakaviana tao an-trano ireo jiolahy ary nitaky an'ilay volabe ao an-trano. Lasa ny 6 tapitrisa Ariary, finday miisa 3, tablety iray ka nandositra niantsinanana izy ireo. Avy hatrany dia niaraka nihetsika daholo ireo zandary manodidina. PF Morafeno anankiroa, nampiana zandary miisa 4 izay mpiandry raharaha sy vonjy taitra nanidy kizo ny toby manodidina. Nihetsika koa ireo fokontany rehetra manodidina hanakana ny lalan-kombany. Tao Mahadonga, fokontany ao ihany, kaominina Arivonimamo II dia nanambana fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy saingy tsy nihemotra ny fokonolona fa niray hina ka matin'izy ireo ny roalahy. Voasambotra kosa ilay vehivavy. Tafatsoaka ny 4 saingy nifanehitra tamin'ny zandary tao Sambaikarivo, fokontany Morafeno. Nitifitra ireo zandary ireo jiolahy ka namaly ny zandary. Lavon'ny balan'ny zandary avokoa izy rehetra. Mitotaly 6 ny dahalo maty raha velona kosa ny jiovavy iray izay fantatra fa monina ao Iavoloha Andoharanofotsy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tafaverina amin'ny tompony avokoa ny vola very rehetra sy ireo finday. Basy poleta iray sy bala efa niasa ary ireo fitaovam-piadiana nampiasaina no azo. Nalevin'ny fokonolona ny andron'iny ihany ireo razana miisa 6. Ny tobim-paritry ny zandarimaria Arivonimamo eo ambany fanaraha-mason'ny kapiteny kaomandin'ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo no misahana ny fanadihadiana. Isaorana ireo fokonolona izay tena miray hina manampy ny zandarimaria amin'ny famongorana ny mpanao ratsy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT