Jiolahy nanafika sekoly teny Ambohibao

Iray voasambotra, iray hafa tafaporitsaka


  • Zoma 05 Septambra 2025

Nisy lehilahy miisa 2 niditra an-keriny tao anatin'ny sekoly iray

ao Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo omaly tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Nanambana sy nandratra ny talen'ny sekoly tamin'ny antsy maranitra izy ireo ary nitaky ny volan'ny sekoly rehetra. Nandritry ny fanafihana dia niafina ireo mpampianatra sasany tao anatin'ity sekoly ity ka niantso ny zandarimaria haingana. Zandary miiisa 5 tarihin'ny CP Antehiroka no tonga minitra vitsy. Tafaporitsaka nitondra moto ny iray tamin'ireo jiolahy. Tavela ny namany iray. Voahodidin'ny fokonolona ny sekoly ka voasambotra ity farany. Ny famotopotorana azy no nahalalana fa mpampianatra iray ao anivon'ny sekoly ihany no nitarika azy roalahy ireto mba handroba ny vola saram-pisoratana anarana, izay anatin'ny fikirakirana izany indrindra ny sekoly. Nokarohina ka voasambotra avy hatrany ity mpampianatra ity ary tratra tao anaty findainy ny resaka nifanaovany tamin'ireto olon-dratsy. Nanohitra hatramin'ny farany an'ireto olon-dratsy ilay ramatoa talen-tsekoly ka naratra vokatry ny tsindron'antsy saingy tsy nahazo na ny Ariary kosa ireto jiolahy. Mitohy ny fikarohana ilay namany iray nitondra moto. Ilay mpampianatra 23 taona monina ao Ambohijanaka Ambohibao sy ilay olon-dratsy iray, 24 taona, mpivarotra hani-masaka kosa dia tazonin'ny zandarimaria mba hatao famotorana, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT