Fandriampahalemana

Jiolahy nanafika ny rahalahiny Nokatsanan’ilay tompon-trano ny rantsan-tananany havia roa


  • Alatsinainy 24 Jolay 2023

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika. Mifanafika hatramin’ny mpirahalahy iraitampo noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana.

Jiolahy iray no tratra nihanika ny tambohon-drahalahiny tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo. Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nanaovany izany. Miaramila miasa ao Toamasina ihany anefa io rahalahiny saika hotafihiny io. Naheno zavatra hafahafa nianjera tany ivelan’ny trano ity farany nandritra izany ka nivoaka haingana. Hatairana ny azy raha nahita ilay iraitampo aminy nihanika ny tamboho niditra tao an-tanànany. Nosamboriny avy hatrany ity farany ka nokatsanany tamin’ny antsy ny rantsan-tanany havia miisa roa. Nalefany nivoaka ny vavahady taorian’izany. Nambaran’ny tompon-trano moa fa efa matetika izy no vaky trano sy very entana. Anisan’ireo entana efa very tao an-trano ohatra ny moto sy valizy feno lamba, finday avo lenta ….Na izany aza dia niteraka korontana teo amin’ny fianakaviana ity tranga ity. Lasa vesatra ho an’ny anabaviny mantsy ilay jiolahy noho ny fahatapahan’ny ratsan-tanany roa izay mbola tsaboina any amin’ny hopitaly ka raikitra ny disadisa sy ny fifanomezan-tsiny.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT