JIOLAHY NANAFIKA FIANGONANA

Niafina 2 volana tao an-tranony, tratra ny iray


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe

Fokontany Manjaka kaominina Miantso, Distrikan’ Ankazobe herinandro maromaro lasa izay. Sendra tokantrano sahirana anefa izy ireo ka tsy nahazo na inona na inona. Ilay tompon-trano no nanamparan’izy telo mirahalahy ny heriny noho izany ka naratra mafy. Taorian’izay dia namantana fiangonana iray teo anoaloany izy telo mirahalahy ka nalainy tamin’izany ny varavarankely miisa 2. Voatery niafina nandritry ny 2 volana ngarangidina tany an-tokantranony izy ireo noho izany rehefa nentin’ny tahotra. Ny iray tamin’izy ireo no fantatra fa nanofa trano tao Andranovaky fokontany Behintsy kaominina Ambohimangakely. Tsikaritry ny manodidina anefa fa hafahafa ilay ranamana io. Tsy mivoaka izy raha tsy alina ka nojokoin'ny kaomandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohimangakely sy ny ekipa sôlida mpanao fisafoana ka dia noraisim-potsiny. Efa natolotra ny zandarimaria Fihaonana afak’omaly moa ny lehilahy mba hanaovana fanadihadiana hikarohana ireo namany hafa roa mbola mandehandeha any.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana nanongotra varavaram-piangonana !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

Hijery ny tohiny
FTT